-
Eksodosy 30:12-16Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
12 “Rehefa manao fanisam-bahoaka ianao ka manisa ny zanak’Israely,+ dia tsy maintsy manome ho an’i Jehovah ny vidin’ny fanavotana ny ainy ny tsirairay amin’ny fotoana hanaovana an’ilay fanisana. Amin’izay dia tsy hisy loza hanjo azy ireo, rehefa soratana ny anaran’izy ireo. 13 Izao no homen’izay rehetra voasoratra anarana: Antsasaka sekely,* araka ny sekely fampiasa ao amin’ny toerana masina.*+ Ary 20 gera* ny iray sekely, ka antsasaka sekely no hatao fanomezana ho an’i Jehovah.+ 14 Hanome fanomezana ho an’i Jehovah izay rehetra voasoratra anarana, dia izay 20 taona no ho miakatra.+ 15 Tsy hanome mihoatra ny antsasaka sekely* ny mpanankarena, ary tsy hanome latsaka izany ny mahantra, rehefa manao fanomezana ho an’i Jehovah mba handrakofana ny fahotany ka hanavotana ny ainy. 16 Avy amin’ny Israelita no hakanao an’ilay vola* fandrakofam-pahotana. Dia omeo hampiasaina amin’ny fanompoana ao amin’ny tranolay fihaonana izany, ho fahatsiarovana an’ireo Israelita eo anatrehan’i Jehovah mba handrakofana ny fahotany ka hanavotana ny ainy.”
-