-
1 Samoela 8:11, 12Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 Hoy izy: “Izao no zo hananan’izay ho mpanjakanareo:+ Halainy ny zanakareo lahy,+ ka hasainy hitondra ny kalesiny+ sy hataony mpitaingin-tsoavaliny.+ Ary ny sasany hasainy hihazakazaka eo alohan’ny kalesiny. 12 Ny sasany hotendreny ho lehiben’ny arivony+ sy lehiben’ny dimampolony.+ Ny sasany kosa hiasa ny taniny+ sy hijinja ny vokatry ny taniny,+ ary hanamboatra ny fitaovam-piadiany sy ny fitaovana amin’ny kalesiny.+
-