-
Eksodosy 38:1, 2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
38 Nanao ny alitara fanaovana fanatitra dorana tamin’ny hazo akasia izy. Efamira ilay izy, ka dimy hakiho* ny lavany, dimy hakiho ny sakany, ary telo hakiho ny haavony.+ 2 Ary nasiany tandroka ny zorony efatra. Hazo iray tsy notapatapahina no nanaovany an’ilay alitara sy ireo tandrony. Dia nopetahany takela-barahina ilay alitara.+
-
-
1 Mpanjaka 8:22Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
22 Dia nitsangana teo anoloan’ny alitaran’i Jehovah, teo anatrehan’ny fiangonan’Israely manontolo, i Solomona, ary namelatra ny tanany nanandrify ny lanitra mba hivavaka.+
-