-
1 Samoela 17:49Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
49 Natsofok’i Davida tao anaty kitapony ny tanany, ka naka vato iray tao izy. Dia nandefa izany tamin’ny pilotra izy ka nahavoa an’ilay Filistinina teo an-tampon-kandriny. Ary nilentika teo amin’ny handrin’ilay Filistinina ilay vato, ka nianjera nihohoka tamin’ny tany izy.+
-
-
1 Tantara 12:1, 2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
12 Ireto avy ny lehilahy tonga tany amin’i Davida tany Ziklaga,+ tamin’izy mbola tsy afaka nivezivezy noho ny amin’i Saoly+ zanak’i Kisy. Anisan’ny miaramila matanjaka izy ireo, ary nanampy azy tamin’ny ady.+ 2 Nitondra tsipìka izy ireo. Sady nahay nampiasa ny tanany ankavanana izy ireo no nahay nampiasa ny ankavia+ rehefa nitoraka vato tamin’ny pilotra+ na nandefa zana-tsipìka. Rahalahin’i Saoly izy ireo, izany hoe avy amin’ny fokon’i Benjamina.+
-