-
2 Mpanjaka 15:5-7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
5 Nataon’i Jehovah boka ilay mpanjaka, ka boka+ mandra-pahafatiny. Koa nipetraka tao amin’ny trano iray mitokana+ izy, ka i Jotama+ zanaky ny mpanjaka no niandraikitra ny trano* sy nitsara ny vahoaka.+ 6 Ary tsy efa voasoratra ao amin’ny boky mirakitra ny tantara tamin’ny andron’ireo mpanjakan’ny Joda ve ny sisa amin’ny tantaran’i Azaria,+ izany hoe izay rehetra nataony? 7 Dia nodimandry any amin’ny razambeny i Azaria,+ ka nalevina tao amin’izay nandevenana azy ireo tao amin’ny Tanànan’i Davida. Ary i Jotama zanany no nanjaka nandimby azy.
-