FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 2 Tantara 26:16-21
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Vao natanjaka anefa izy, dia nirehareha ny fony, ka nitondra loza ho azy izany. Koa nivadika tamin’i Jehovah Andriamaniny izy, dia niditra tao amin’ny tempolin’i Jehovah mba handoro emboka manitra teo amin’ny alitara fandoroana emboka manitra.+ 17 Tonga dia niditra nanaraka azy i Azaria mpisorona sy ny mpisoron’i Jehovah 80 lahy be herim-po. 18 Dia nanohitra an’i Ozia Mpanjaka izy ireo, ka niteny taminy hoe: “Tsy mety, ry Ozia, raha ianao no mandoro emboka manitra ho an’i Jehovah.+ Ny mpisorona ihany no tokony handoro emboka manitra, satria ry zareo no taranak’i Arona+ sady efa nohamasinina. Mivoaha ato amin’ity toerana masina ity fa nivadika tamin’Andriamanitra ianao, ary tsy hahazo voninahitra avy amin’i Jehovah Andriamanitra amin’izao ataonao izao.”

      19 Tezitra be anefa i Ozia, ary mbola teny an-tanany ny fitaovana fandoroana emboka manitra. Raha iny izy mbola tezitra+ tamin’ny mpisorona iny, dia nisy habokana+ nipoitra teo amin’ny handriny, tamin’izy teo anatrehan’ny mpisorona teo akaikin’ny alitara fandoroana emboka manitra, tao an-tranon’i Jehovah. 20 Rehefa nitodika tany aminy i Azaria lehiben’ny mpisorona sy ny mpisorona rehetra, dia hitan’izy ireo hoe io fa efa boka ny handriny! Navoakan’izy ireo haingana àry izy, ary izy koa aza nivoaka haingana satria efa nofaizin’i Jehovah.

      21 Dia boka mandra-pahafatiny i Ozia Mpanjaka. Nipetraka tao amin’ny trano iray mitokana àry izy satria boka.+ Tsy nahazo niditra tao an-tranon’i Jehovah intsony koa izy. Ary i Jotama zanany no niandraikitra ny tranon’ny* mpanjaka, sy nitsara ny vahoaka.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara