-
2 Tantara 16:10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
10 Tezitra tamin’ilay mpahita anefa i Asa dia nampiditra azy tao am-ponja,* satria romotra be taminy noho ilay zavatra noteneniny. Nanomboka nampijaly olona sasany teo amin’ny vahoaka koa i Asa tamin’izay.
-
-
2 Tantara 25:15, 16Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
15 Tezitra be tamin’i Amazia àry i Jehovah, dia naniraka mpaminany hilaza taminy hoe: “Fa maninona ianao no manompo ny andriamanitry ny firenen-kafa, nefa ireny aza tsy nahavonjy ny vahoakany teo am-pelatananao akory?”+ 16 Mbola tsy tapitra akory ny tenin’ilay mpaminany, dia hoy ny mpanjaka: “Angaha izahay nanendry anao ho mpanolo-tsain’ny mpanjaka?+ Aoka izay,+ sao matin’ny olona eo ianao!” Dia tsy niteny intsony ilay mpaminany, fa hoy fotsiny izy: “Fantatro fa efa tapa-kevitra ny handringana anao Andriamanitra, satria nanao an’izany ianao sady tsy nihaino ny torohevitro.”+
-