-
Levitikosy 13:45, 46Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
45 Tokony horovitina ny akanjon’ilay olona boka, ary havela hisavoritaka ny volony. Hosaronany ny volombava eo ambonin’ny molony, ka hiantsoantso izy hoe: ‘Maloto e! Maloto e!’ 46 Haloto izy mandritra ny fotoana aharariany. Maloto izy ka tokony hitoka-monina. Any ivelan’ny toby izy no hipetraka.+
-
-
Nomery 12:14, 15Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
14 Dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Tsy ho afa-baraka fito andro ve izy raha roran’ny dadany ny tarehiny? Fa aleo izy hatokan-toerana fito andro any ivelan’ny toby,+ dia aorian’izay izy vao mahazo miverina.” 15 Dia natokan-toerana fito andro tany ivelan’ny toby i Miriama.+ Ary tsy nifindra lasy ny vahoaka raha tsy efa niverina tao an-toby izy.
-