-
Nomery 12:14Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
14 Dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Tsy ho afa-baraka fito andro ve izy raha roran’ny dadany ny tarehiny? Fa aleo izy hatokan-toerana fito andro any ivelan’ny toby,+ dia aorian’izay izy vao mahazo miverina.”
-
-
2 Mpanjaka 7:3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 Nisy boka efatra teo amin’ny fidirana amin’ny vavahadin’ny tanàna.+ Nifampiresaka izy ireo hoe: “Fa maninona isika no hipetra-potsiny eto mandra-pahafatintsika?
-
-
2 Tantara 26:20, 21Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
20 Rehefa nitodika tany aminy i Azaria lehiben’ny mpisorona sy ny mpisorona rehetra, dia hitan’izy ireo hoe io fa efa boka ny handriny! Navoakan’izy ireo haingana àry izy, ary izy koa aza nivoaka haingana satria efa nofaizin’i Jehovah.
21 Dia boka mandra-pahafatiny i Ozia Mpanjaka. Nipetraka tao amin’ny trano iray mitokana àry izy satria boka.+ Tsy nahazo niditra tao an-tranon’i Jehovah intsony koa izy. Ary i Jotama zanany no niandraikitra ny tranon’ny* mpanjaka, sy nitsara ny vahoaka.+
-