-
2 Tantara 15:10-13Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
10 Dia nivory tao Jerosalema izy rehetra ireo, tamin’ny volana fahatelo tamin’ny taona faha-15 nanjakan’i Asa. 11 Nanao sorona ho an’i Jehovah avy tamin’ny zavatra nataony babo izy ireo tamin’io andro io, dia omby 700 sy ondry 7 000. 12 Nanao fifanekena koa izy ireo fa hitady an’i Jehovah Andriamanitry ny razambeny amin’ny fony manontolo sy ny heriny manontolo.+ 13 Dia hovonoina ho faty izay tsy mitady an’i Jehovah Andriamanitry ny Israely, na kely na lehibe, na lahy na vavy.+
-