-
2 Mpanjaka 23:3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 Nijoro teo akaikin’ny andry ny mpanjaka, ary nanao* fifanekena teo anatrehan’i Jehovah+ hoe hankatò an’i Jehovah sady hanaraka ny didiny sy ny fampahatsiahivany ary ny lalàny amin’ny fony manontolo sy ny tenany manontolo, ka hanatanteraka an’izay voalazan’ilay fifanekena voasoratra tao amin’ilay boky. Dia nanaiky an’ilay fifanekena+ ny vahoaka rehetra.
-
-
Nehemia 10:28, 29Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
28 Ary ireto no anisan’ny vahoaka sisa: Ny mpisorona, ny Levita, ny mpiandry vavahady, ny mpihira, ny mpanompo tao amin’ny tempoly,* sy izay nisaraka tamin’ny mponina manodidina mba hankatò ny Lalàn’Andriamanitra,+ ary ny vadin’izy ireo sy ny zanany lahy sy ny zanany vavy, izany hoe izay efa afaka* mahazo ny dikan’ilay fifanarahana. 29 Nanohana an’ireo rahalahiny izy ireo, izany hoe nanohana an’ireo olona ambony ireo. Niozona* koa izy ireo sady nianiana fa hankatò ny Lalàn’Andriamanitra nampitainy tamin’ny alalan’i Mosesy mpanompony, sy hanaraka tsara ny didy rehetra sy ny didim-pitsarana ary ny fitsipik’i Jehovah Tomponay.
-