-
Deoteronomia 30:1-3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
30 “Rehefa tanteraka aminao daholo ireo teny ireo, izany hoe ny fitahiana sy ny ozona izay nasaiko nisafidiananao,+ ka tsaroanao* ireo+ any amin’ny firenena rehetra anaparitahan’i Jehovah Andriamanitrao anao,+ 2 ary miverina amin’i Jehovah Andriamanitrao ianao+ ka mihaino ny feony ianao sy ny zanakao, araka ny didy rehetra omeko anao anio, sady manao an’izany amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo,+ 3 dia hoentin’i Jehovah Andriamanitrao miverina ny vahoakanao natao babo,+ ary hiantra anao izy+ ka hanangona anao indray avy any amin’ny firenena rehetra anaparitahan’i Jehovah Andriamanitrao anao.+
-
-
Deoteronomia 30:8-10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
8 “Dia hiverina ianao ka hihaino ny feon’i Jehovah, ary hankatò ny didiny rehetra izay andidiako anao androany. 9 Hataon’i Jehovah Andriamanitrao be dia be ny vokatry ny asan’ny tananao rehetra,+ ary hataony maro be ny zanakao sy ny biby fiompinao ary ny vokatry ny taninao. Fa ho faly indray i Jehovah hanao izay hiadananao, hoatran’ny nataony tamin’ny razambenao.+ 10 Hihaino ny feon’i Jehovah Andriamanitrao mantsy ianao amin’izay fotoana izay, sady hankatò ny didiny sy ny lalàny voasoratra ato amin’ity boky misy ny Lalàna ity, ary hiverina amin’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo.+
-
-
1 Mpanjaka 8:48, 49Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
48 ary miverina aminao amin’ny fony manontolo+ sy ny heriny manontolo izy, any amin’ny tanin’ny fahavalony izay nitondra azy ho babo, ka mivavaka aminao manandrify ny taniny, izay nomenao ny razambeny, sy ny tanàna nofidinao ary ny trano naoriko ho an’ny anaranao,+ 49 dia henoy any an-danitra fonenanao+ any ny vavaka ataony sy ny fitalahoany famindram-po, ka ataovy izay hitanao fa rariny mba hanampiana azy,
-