FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 4:29
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 29 “Raha mitady an’i Jehovah Andriamanitrao anefa ianao any, dia tena hahita azy tokoa+ raha mitady azy amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo.+

  • Deoteronomia 30:1-4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 30 “Rehefa tanteraka aminao daholo ireo teny ireo, izany hoe ny fitahiana sy ny ozona izay nasaiko nisafidiananao,+ ka tsaroanao* ireo+ any amin’ny firenena rehetra anaparitahan’i Jehovah Andriamanitrao anao,+ 2 ary miverina amin’i Jehovah Andriamanitrao ianao+ ka mihaino ny feony ianao sy ny zanakao, araka ny didy rehetra omeko anao anio, sady manao an’izany amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo,+ 3 dia hoentin’i Jehovah Andriamanitrao miverina ny vahoakanao natao babo,+ ary hiantra anao izy+ ka hanangona anao indray avy any amin’ny firenena rehetra anaparitahan’i Jehovah Andriamanitrao anao.+ 4 Na dia miparitaka hatrany amin’ny faravodilanitra aza ny vahoakanao, dia avy any no hanangonan’i Jehovah Andriamanitrao anao sy hamerenany anao.+

  • 1 Mpanjaka 8:47, 48
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 47 ary tonga saina izy any amin’ny tany nitondrana azy ho babo,+ dia miverina aminao+ sy mitalaho famindram-po aminao any amin’ny tanin’ny mpamabo azy+ ary miteny hoe: ‘Nanota izahay sady efa diso ary nanao ratsy’,+ 48 ary miverina aminao amin’ny fony manontolo+ sy ny heriny manontolo izy, any amin’ny tanin’ny fahavalony izay nitondra azy ho babo, ka mivavaka aminao manandrify ny taniny, izay nomenao ny razambeny, sy ny tanàna nofidinao ary ny trano naoriko ho an’ny anaranao,+

  • Jeremia 24:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Ary homeko fo te hahalala ahy izy ireo mba hahafantarany hoe izaho no Jehovah.+ Dia ho lasa vahoakako izy ireo ary izaho ho Andriamaniny,+ satria hiverina amiko amin’ny fony manontolo izy ireo.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara