-
2 Mpanjaka 24:15, 16Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
15 Nataony sesitany tany Babylona+ àry i Joiakina.+ Nentiny avy any Jerosalema koa ny renin’ny mpanjaka, ireo vadin’ny mpanjaka, ny tandapany, ary ny olona ambony teo amin’ilay tany, mba hatao sesitany tany Babylona. 16 Nentin’ny mpanjakan’i Babylona natao sesitany tany Babylona daholo koa ny miaramila 7 000, ary ny mpanao asa tanana sy mpanefy* niisa 1 000, izay samy lehilahy matanjaka sady voaofana hiady.
-
-
2 Mpanjaka 25:11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 Dia nentin’i Nebozaradana, lehiben’ny mpiambina, ny vahoaka sisa tao an-tanàna, sy ireo efa nitolo-batana tany amin’ny mpanjakan’i Babylona, ary ny mponina sisa tavela, ka nataony sesitany.+
-