-
2 Mpanjaka 25:13-15Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
13 Ary nopotipotehin’ny Kaldeanina ireo andry varahina+ teo amin’ny tranon’i Jehovah, sy ireo kalesy,+ ary ilay Ranomasina varahina+ tao an-tranon’i Jehovah. Dia nentin’izy ireo tany Babylona ny varahina tamin’ireny.+ 14 Nalainy koa ny fitoeran-davenona, ny lapelina, ny famonoan-jiro, ny kaopy, ary ny fitaovana varahina rehetra nampiasaina tamin’ny fanompoana tao amin’ny tempoly. 15 Nalain’ilay lehiben’ny mpiambina ny fitondrana afo sy ny vilia baolina, izay tena volamena+ sy tena volafotsy+ daholo.
-
-
2 Tantara 36:7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 Ary nentin’i Nebokadnezara tany Babylona ny fitaovana sasany tao an-tranon’i Jehovah, ka nataony tao an-dapany tany Babylona.+
-
-
2 Tantara 36:18Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
18 Nentiny tany Babylona daholo ny fitaovana tao an-tranon’ilay tena Andriamanitra, na lehibe na kely, sy ny zava-tsarobidy notehirizina tao an-tranon’i Jehovah, ary ny zava-tsarobidin’ny mpanjaka sy ny andrianany.+
-
-
Daniela 1:1, 2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
1 Tamin’ny taona fahatelo nanjakan’i Joiakima+ mpanjakan’ny Joda, dia tonga tany Jerosalema i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona, ka nataony fahirano ilay tanàna.+ 2 Tatỳ aoriana, dia natolotr’i Jehovah teo an-tanan’i Nebokadnezara i Joiakima mpanjakan’ny Joda,+ sy ny fitaovana sasany tao an-tranon’ilay* tena Andriamanitra. Dia nentin’i Nebokadnezara tao an-tranon’ny* andriamaniny, tany Sinara,*+ ireny ka nataony tao amin’ny fitehirizan-karenan’ny andriamaniny.+
-
-
Daniela 5:2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 Rehefa mamomamo iny i Belsazara, dia nanome baiko izy hoe hoentina eo aminy ny kaopy volamena sy volafotsy, izay nalain’i Nebokadnezara rainy avy tao amin’ny tempoly tany Jerosalema.+ Nasainy nentina teo izany mba hisotroan’ny mpanjaka sy ny olona ambony, ary ny vadikeliny sy ny vadiny hafa.
-