-
Ezra 9:9Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 Tsy nafoinao izahay na dia mpanompo+ sady andevozina aza, ry Andriamanitray ô! Tia anay sady tsy mivadika aminay kosa ianao, ka nataonao nahazo sitraka tamin’ny mpanjakan’i Persa+ izahay. Tianao ho velombelona mantsy izahay ka hanorina indray an’ilay tranon’ny Andriamanitray+ efa rava, ary tianao homena manda vato* eto Joda sy Jerosalema.
-
-
Nehemia 1:11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 Jehovah ô! Miangavy anao re mba hihaino tsara ny vavaka ataon’ity mpanomponao e! Mba henoy koa ny vavak’ireo mpanomponao izay faly erỳ manaja* ny anaranao. Ataovy mahomby re izay ataon’ny mpanomponao androany e, dia mba ataovy miantra ahy ny mpanjaka.”+
Mpandroso zava-pisotron’ny mpanjaka aho tamin’izany.+
-