-
Levitikosy 5:17, 18Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
17 “Raha misy olona manota, ka manao ny iray amin’ireo zavatra andraran’i Jehovah, na dia tsy fantany aza izany, dia meloka ihany izy ka hizaka ny vokatry ny fahadisoany.+ 18 Hitondra ondrilahy tsy misy kilema any amin’ny mpisorona izy, ho fanatitra noho ny heloka.+ Tokony ho araka ny vidiny hanombanana azy ny vidin’ilay ondry. Ary ny mpisorona handrakotra ny fahotan’ilay olona noho ny fahadisoana tsy nahy nataony nefa tsy fantany. Dia ho voavela ny helony.
-