-
Nehemia 2:19, 20Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
19 Ary naheno an’izany i Sanbala Horonita sy Tobia,+ ilay manam-pahefana* amonita,+ ary Gasema Arabo.+ Dia nanesoeso+ sy nanambanimbany anay izy ireo hoe: “Fa inona ity ataonareo? Mikomy amin’ny mpanjaka angaha ianareo?”+ 20 Dia hoy aho: “Ilay Andriamanitry ny lanitra no hampahomby an’izay ataonay.+ Ary hanorina ny manda izahay mpanompony. Fa ianareo kosa tsy manana anjara na zo eto Jerosalema, sady tsy anisan’ny olona voasoratra ao amin’ny tantarany.”+
-