-
Deoteronomia 28:15Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
15 “Raha tsy mihaino ny feon’i Jehovah Andriamanitrao kosa ianao, ka tsy mankatò ny didiny rehetra sy ny lalàny omeko anao androany, dia ho tanteraka aminao ireto ozona rehetra ireto, sady hahatratra anao:+
-
-
Deoteronomia 28:33Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
33 Hohanin’ny firenen-kafa tsy fantatrao ny vokatry ny taninao sy ny zavatra vokarinao rehetra.+ Ary hisy hanambaka sy hampijalijaly foana ianao.
-
-
Nehemia 9:36, 37Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
36 Andevo+ izahay izao, andevo eto amin’ity tany ity, izay nomenao ny razambenay mba hihinanan-dry zareo ny vokatra sy ny zava-tsoa eto. 37 Betsaka ny vokatry ny tany, nefa nanota izahay ka lasan’ireo mpanjaka notendrenao hifehy anay izany.+ Manjaka aminay sy ny biby fiompinay araka izay tiany izy ireo, ka mijaly be izahay.
-