-
Josoa 7:6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
6 Dia nandrovitra ny akanjony i Josoa. Ary niankohoka tamin’ny tany teo anoloan’ny Vata masin’i Jehovah izy sy ny anti-panahin’ny* Israely mandra-paharivan’ny andro. Samy nanipy vovoka teo amin’ny lohany avy izy ireo.
-
-
Jona 3:5, 6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
5 Dia nino an’Andriamanitra ny olona tao Ninive,+ ka nanao antso avo hoe tokony hifady hanina daholo. Nitafy lamba gony koa izy ireo, hatramin’ny lehibe indrindra ka hatramin’ny kely indrindra. 6 Rehefa henon’ny mpanjakan’i Ninive ilay hafatra, dia nitsangana niala teo amin’ny seza fiandrianany izy ka nesoriny ny akanjom-boninahiny. Ary nitafy lamba gony izy, sady nipetraka teo amin’ny lavenona.
-