-
Eksodosy 2:23-25Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
23 Taona* maro tatỳ aoriana, dia maty ilay mpanjakan’i Ejipta.+ Mbola nisento sy nitaraina ihany anefa ny Israelita satria nandevozina. Dia niantso vonjy foana tamin’ilay tena Andriamanitra izy ireo noho izany.+ 24 Henon’Andriamanitra ny fitarainan’izy ireo,+ ka tadidiny ny fifanekena nataony tamin’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba.+ 25 Koa nijery an’ireo Israelita Andriamanitra ka nahita ny fijalian’izy ireo.
-