-
Estera 5:8Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
8 Raha mba mahazo sitraka amin’ny mpanjaka aho, ka mety amin’ny mpanjaka ny hanome an’izay angatahiko sy tadiaviko, dia mba tongava ianao sy Hamana any amin’ilay fanasana hataoko ho anareo rahampitso. Amin’izay aho no hilaza ny fangatahako.”
-
-
Estera 7:3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 Dia hoy i Estera vadin’ny mpanjaka: “Raha mahazo sitraka aminao aho, ry mpanjaka ô, ary raha mety amin’ny mpanjaka, dia ny hitsimbinana ny aiko no angatahiko, ary ny hitsimbinana ny fireneko+ no tadiaviko.
-
-
Estera 8:5Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
5 dia niteny hoe: “Raha mety amin’ny mpanjaka, ary raha hitan’ny mpanjaka fa mety izao ka mahafinaritra ny mpanjaka aho, dia aleo mba hisy didy hosoratana hoe hofoanana izay nosoratan’iny Hamana+ zanak’i Hamedota Agagita iny,+ ilay nanao teti-dratsy handripahana ny Jiosy any amin’ny faritany rehetra manerana ny fanjakana.
-