-
Estera 4:1-3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 Rehefa fantatr’i Mordekay+ izany rehetra izany,+ dia norovitiny ny akanjony, dia nitafy lamba gony izy sady nihosin-davenona. Nankeo afovoan-tanàna izy avy eo, dia nitaraindraina mafy fa nalahelo be. 2 Ary nankeny amin’ny vavahadin’ny mpanjaka izy, nefa nijanona hatreo ihany. Tsy nahazo niditra teo amin’ny vavahadin’ny mpanjaka mantsy izay olona nitafy gony. 3 Nalahelo be daholo ny Jiosy, tany amin’ny faritany+ rehetra nahazo an’ilay didin’ny mpanjaka sy ny lalàny. Dia nifady hanina+ sy nitomany ary nidradradradra izy ireo. Be dia be koa no natory teo ambony gony sy lavenona.+
-