-
Estera 3:8-11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
8 Dia hoy i Hamana tamin’i Ahasoerosy Mpanjaka: “Misy vahoaka iray miparitaka sy miely any amin’ny faritany+ rehetra manerana ny fanjakanao.+ Tsy mitovy amin’ny an’ny vahoaka rehetra ny lalàny, ary tsy mba mankatò ny lalàn’ny mpanjaka izy. Tsy hitondra soa ho an’ny mpanjaka àry raha avela amin’izao fotsiny izy ireo. 9 Raha mba mety amin’ny mpanjaka, dia aleo hisy didy hatao an-tsoratra hoe haripaka izy ireo. Dia handoa volafotsy 10 000 talenta* amin’ny manam-pahefana aho, harotsaka ao amin’ny tahirim-bolam-panjakana.”*
10 Nesorin’ny mpanjaka teny an-tanany àry ny peratra fanombohan-kaseny+ ka nomeny an’i Hamana,+ zanak’i Hamedota Agagita,+ ilay fahavalon’ny Jiosy. 11 Ary hoy ny mpanjaka tamin’i Hamana: “Homena anao ny volafotsy sy izany vahoaka izany, ka ataovy izay hitanao fa mety.”
-