-
Genesisy 43:11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 Dia hoy i Israely rainy: “Raha tsy maintsy hoe izay àry, dia izao atao: Alaivo ny vokatra tsara indrindra amin’ny tany ka ataovy ao anaty goninareo, dia ento hatao fanomezana ho an’ilay lehilahy:+ Balsama kely,+ tantely kely, ditin-kazo ladanoma, hodi-kazo misy ditiny,+ voanjombazaha, ary amandy.
-
-
2 Mpanjaka 20:13Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
13 Nandray* an’ireo iraka i Hezekia, ka nasehony azy ireo ny zava-drehetra tao amin’ny fitehirizan-karenany,+ dia ny volafotsy, ny volamena, ny menaka balsama, ny menaka sarobidy hafa, ny fitaovam-piadiany, ary izay rehetra tao amin’ny fitehirizan-karenany. Tsy nisy tsy nasehon’i Hezekia azy ny tao an-tranony* sy ny tao amin’ny fanjakany manontolo.
-