-
Estera 2:21Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
21 Tamin’izany fotoana izany, tamin’i Mordekay nipetraka teo am-bavahadin’ny mpanjaka, dia tezitra i Bigtana sy Taresy, tandapan’ny mpanjaka sady mpiandry varavarana, ka nanao tetika hamonoana* an’i Ahasoerosy Mpanjaka.
-
-
Estera 2:23Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
23 Dia nisy fanadihadiana natao ka fantatra fa tena nisy tokoa ilay tetika. Nahantona teo amin’ny tsato-kazo àry izy roa lahy. Dia nosoratana tao amin’ny boky mirakitra ny tantara daholo izany, teo anatrehan’ny mpanjaka.+
-