-
Joba 2:1-3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 Tatỳ aoriana, dia tonga indray ny andro hankanesan’ireo zanak’Andriamanitra*+ teo anatrehan’i Jehovah.+ Mba tonga niaraka tamin’izy ireo teo koa i Satana, ka nankeo anatrehan’i Jehovah.+
2 Dia hoy i Jehovah tamin’i Satana: “Avy taiza ianao?” Dia namaly an’i Jehovah i Satana hoe: “Avy nivezivezy teny ambonin’ny tany sy nandehandeha teny aho.”+ 3 Ary hoy i Jehovah tamin’i Satana: “Efa nandinika an’i* Joba mpanompoko ve ianao? Tsy misy hoatr’azy eny ambonin’ny tany. Manao ny marina sy tsy mivadika*+ izy, sady matahotra an’Andriamanitra ka mifady ny ratsy. Mbola tsy mivadika mihitsy izy,+ na dia mampirisika ahy hamotika ny fiainany*+ tsy amin’antony aza ianao.”
-