FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Genesisy 4:9, 10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Tatỳ aoriana, dia hoy i Jehovah tamin’i Kaina: “Fa aiza i Abela rahalahinao?” Dia hoy izy: “Tsy haiko. Fa angaha izaho mpiambina ny rahalahiko?” 10 Ary hoy Andriamanitra: “Fa inona no nataonao? Izany fa miantsoantso mitaraina amiko ny ran’ny rahalahinao nalatsakao tamin’ny tany.+

  • Genesisy 9:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 Ankoatra izany, dia hataoko ampamoaka* izay mandatsaka ny ranareo na ny ainareo. Hataoko ampamoaka ny zavamananaina rehetra mandatsaka ny ranareo. Ary hataoko ampamoaka izay olona mandatsaka ny ain’ny rahalahiny.+

  • Deoteronomia 32:43
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 43 Mifalia miaraka amin’ny vahoakan’Andriamanitra ianareo hafa firenena!+

      Fa hamaly ny ran’ny mpanompony Izy,+

      Ary hamaly ny nataon’ny fahavalony,+

      Sy handrakotra ny fahotan’ilay* tanin’ny vahoakany.”

  • 2 Mpanjaka 9:24
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 24 Noraisin’i Jeho ny tsipìkany, dia notifiriny i Jorama ka voany teo anelanelan’ny sorony. Dia nigorobaka avy teo amin’ny fony ilay zana-tsipìka, ka nianjera tao amin’ny kalesiny izy.

  • 2 Mpanjaka 9:26
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 26 ‘“Hitako ny ran’i Nabota+ sy ny ran’ny zanany lahy omaly”, hoy i Jehovah, “ka eto amin’ity tany ity no tsy maintsy hamaliako ny nataonao”,+ hoy i Jehovah.’ Koa batao izy, dia atsipazo eo amin’ilay tany, araka ny tenin’i Jehovah.”+

  • 2 Mpanjaka 24:3, 4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
  • Lioka 11:49-51
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 49 Izany koa no nahatonga an’ilay Andriamanitra hendry* hilaza hoe: ‘Haniraka mpaminany sy apostoly any amin’izy ireo aho. Hisy amin’izy ireny hovonoiny sy henjehiny, 50 mba ho ity taranaka ity no ho tompon’andraikitra* amin’ny ran’ny mpaminany rehetra nalatsaka hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao,+ 51 nanomboka tamin’ny ran’i Abela+ ka hatramin’ny ran’i Zakaria, izay novonoina teo anelanelan’ny alitara sy ny tranon’Andriamanitra.’*+ Lazaiko aminareo tokoa fa hatao tompon’andraikitra* amin’izany ity taranaka ity.

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara