-
Eksodosy 15:20Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
20 Dia naka ampongatapaka i Miriama mpaminanivavy, anabavin’i Arona. Ary nitondra ampongatapaka nanaraka azy ny vehivavy rehetra sady nandihy.
-
-
Mpitsara 11:34Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
34 Farany, dia tonga tany an-tranony tao Mizpa+ i Jefta. Ary iny fa nivoaka hitsena azy ny zanany vavy, sady nively ampongatapaka no nandihy. Io ihany ny zanany, fa tsy nanana zanakalahy na zanakavavy afa-tsy io izy.
-