25 Dia nankany an-tranon’i Obeda-edoma+ i Davida sy ny anti-panahin’ny Israely ary ny lehiben’ny arivo sady falifaly be, fa haka an’ilay Vata misy ny fifanekena nataon’i Jehovah ka hampiakatra an’ilay izy avy any.+
28 Dia nampiakatra ny Vata misy ny fifanekena nataon’i Jehovah ny Israelita rehetra, ka faly sy nihorakoraka be+ sady nitsoka anjombona sy trompetra+ ary nampaneno kipantsona. Notendren’izy ireo mafy be koa ny zavamaneno fitendry sy ny harpa.+