-
Eksodosy 14:21, 22Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
21 Dia natsotran’i Mosesy teo ambonin’ny ranomasina ny tanany.+ Ary nasian’i Jehovah rivo-mahery nitsoka avy any atsinanana, nandritra ny alina manontolo, ka nisintona ny ranomasina. Dia lasa tany maina ny fanambanin’ny ranomasina,+ ary nisaraka ny rano.+ 22 Koa nandeha tamin’ny tany maina namakivaky teo afovoan’ny ranomasina ny Israelita,+ ary toy ny manda teo ankavanany sy teo ankaviany ny rano.+
-
-
Eksodosy 15:8Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
8 Ny fofonain’ny vavoronao no nanangonanao ny rano.
Dia tsy nihetsika ny rano, ka lasa hoatran’ny tohodrano.
Nivaingana teo afovoan’ny ranomasina ny rano manonja be.
-