-
Eksodosy 16:15Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
15 Rehefa nahita an’ilay izy ny Israelita, dia nifanontany hoe: “Fa inona ireny?” Tsy fantany mantsy hoe inona ilay izy. Dia hoy i Mosesy: “Mofo nomen’i Jehovah ho sakafonareo ireny.+
-
-
Deoteronomia 8:14, 15Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
14 dia aza avela hiavonavona* ny fonao+ ka hahatonga anao hanadino an’i Jehovah Andriamanitrao. Izy mantsy no nitondra anao nivoaka avy tany Ejipta, avy tany amin’ny toerana nanandevozana anao.+ 15 Izy koa no nitarika anao hamakivaky an’ilay tany efitra lehibe sy mampahatahotra,+ izay misy bibilava misy poizina sy maingoka, sady tany karakaina tsy misy rano. Izy koa no namoaka rano avy tamin’ny vatolampy,+
-