-
Eksodosy 10:14, 15Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
14 Ary niakatra nanerana an’i Ejipta ny valala, dia nipetraka teny amin’ny faritra rehetra tao,+ ka tena nanelingelina be mihitsy.+ Mbola tsy nisy valala be dia be hoatr’izany mihitsy talohan’izay, sady tsy hisy hoatr’izany intsony koa. 15 Rakotra valala ny faritra rehetra ka lasa maizina ilay tany. Dia nohaniny daholo ny zavamaniry rehetra teo amin’ilay tany sy ny voankazo rehetra teny amin’ny hazo, dia izay sisa tsy potiky ny havandra. Tsy nisy zava-maitso tavela intsony eran’i Ejipta, na teny amin’ny hazo, na teny amin’ny zavamaniry tany an-tsaha.
-