16 Ary hatsipy eny amin’ny lalan’i Jerosalema ny fatin’ny olona izay nilazany ny faminaniany, satria ho fatin’ny mosary sy ny sabatra izy ireny. Tsy hisy handevina ny fatin’izy ireny+ sy ny fatin’ny vadiny sy ny zanany lahy ary ny zanany vavy. Fa hataoko mihatra aminy ny loza sahaza azy.’+
4 ‘Ho fatin’ny aretina mahafaty+ izy ireny, nefa tsy hisy hisaona na handevina azy. Ho lasa zezika eny ambonin’ny tany+ izy ireny. Ho fatin’ny sabatra sy ny mosary+ izy ireny, ary ho sakafon’ny voro-manidina sy ny bibidia ny fatiny.’