-
Eksodosy 23:30Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
30 Horoahiko tsikelikely tsy ho eo anatrehanao kosa izy ireo, mandra-pahatonganao ho be dia be ka ho lasanao ilay tany.+
-
-
Josoa 24:12, 13Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
12 Koa mbola tsy tonga tany akory ianareo dia efa nataoko izay hahakivy* azy ireny, ka nandositra tsy ho eo anatrehanareo izy ireny,+ hoatran’ireo mpanjaka amorita roa. Tsy ny sabatrareo na ny tsipìkanareo no nahavita an’izany.+ 13 Dia nomeko tany tsy nisasaranareo sy tanàna tsy naorinareo ianareo,+ ka nanorim-ponenana tao amin’ireny. Ary nihinana vokatra avy tamin’ny tanimboaloboka sy sahan’oliva tsy nambolenareo ianareo.’+
-
-
1 Mpanjaka 4:25Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
25 Niaina nilamina tsara ny Joda
sy ny Israely tamin’ny andro rehetra nanjakan’i Solomona. Samy teny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny ny olona rehetra, hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba.
-