-
Deoteronomia 6:10, 11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
10 “Rehefa entin’i Jehovah Andriamanitrao any amin’ilay tany efa nianianany tamin’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba razambenao hoe homena anao ianao,+ dia hahazo tanàna lehibe sady tsara tarehy izay tsy naorinao.+ 11 Hahazo trano feno zavatra tsara isan-karazany izay tsy nisasaranao koa ianao, sy lavaka fanangonan-drano tsy nolavahanao, sy tanimboaloboka tsy novolenao, ary hazo oliva tsy nambolenao. Dia hihinana ianao ka ho voky.+
-
-
Deoteronomia 8:7, 8Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 Fa efa hampiditra anao ao amin’ilay tany tsara i Jehovah Andriamanitrao.+ Tany be renirano* izy io, sady misy loharano sy rano lalina mikoriana eny amin’ny tany lemaka sy ny faritra be tendrombohitra. 8 Tany misy varimbazaha koa izy io, sady misy vary orza, voaloboka, aviavy, ampongabendanitra,+ menak’oliva, ary tantely.+
-