-
Nehemia 9:17Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
17 Tsy nety nihaino ry zareo+ ary tsy notadidiny ny asa mahatalanjona nataonao ho azy. Lasa mafy loha* koa izy ireo ka nanendry olona hitarika azy hiverina ho andevo tany Ejipta indray.+ Tsy nahafoy+ azy anefa ianao satria Andriamanitra vonona hamela heloka* sady mangoraka,* mamindra fo, tsy mora tezitra, ary tena be fitiavana sy tsy mivadika.*+
-
-
Jona 4:2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 Dia nivavaka tamin’i Jehovah izy hoe: “Jehovah ô! Tsy efa izao ve ilay nahiko tamin’izaho mbola tany amin’ny taniko? Dia izany ange ilay nahatonga ahy handositra tany Tarsisy+ e! Fantatro mantsy fa Andriamanitra mangoraka* sy mamindra fo ianao, tsy mora tezitra, tena be fitiavana sy tsy mivadika,+ ary tsy mba mahafinaritra anao ny manasazy.
-