9 Ary hoy Andriamanitra: “Aoka hiangona eo amin’ny toerana iray ny rano eny ambanin’ny lanitra, ary aoka hipoitra ny faritra maina.”+ Dia nisy izany. 10 Nantsoin’Andriamanitra hoe Tany ilay faritra maina,+ fa Ranomasina+ kosa ny rano niangona. Dia hitan’Andriamanitra fa tsara+ izany.