-
Genesisy 1:29, 30Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
29 Ary hoy Andriamanitra: “Efa nomeko anareo ny zavamaniry misy voa famboly rehetra eny ambonin’ny tany manontolo, sy ny hazo rehetra mamokatra voankazo misy voany. Ataovy sakafonareo ireny.+ 30 Ny zava-maitso rehetra indray efa nomeko ho sakafon’ny+ bibidia rehetra eny ambonin’ny tany, sy ny biby manidina rehetra eny amin’ny lanitra, ary ny zavamananaina hafa rehetra mifamezivezy eny ambonin’ny tany.” Dia nitranga izany.
-