-
Genesisy 23:4Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 “Vahiny sy mpiavy eto aminareo aho,+ ka mba omeo tany eto aminareo hataoko toeram-pandevenana. Dia ao no handevenako ny vadiko.”
-
-
Asan’ny Apostoly 7:4, 5Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 Dia niala tao amin’ny tanin’ny Kaldeanina izy, ka nipetraka tany Harana. Ary rehefa maty ny rainy,+ dia nasain’Andriamanitra nifindra nankatỳ amin’ity tany onenanareo amin’izao ity izy.+ 5 Tsy nanome azy lova teto anefa Andriamanitra, na dia tany eram-paladia aza. Nampanantena anefa Izy fa hanome an’ity tany ity ho azy sy ho an’ny taranany,+ na dia mbola tsy nanan-janaka aza izy tamin’izay.
-