-
Mpitsara 6:1-5Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
6 Nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah indray anefa ny Israelita,+ ka navelan’i Jehovah ho resin’ny Midianina izy ireo nandritra ny fito taona.+ 2 Dia nanjakazaka tamin’ny Israely ny Midianina.+ Noho ny nataon’ny Midianina, dia nanamboatra toerana hiafenany* ny Israelita. Nataon’izy ireo teny an-tendrombohitra izany sy tao amin’ireo lava-bato ary tany amin’ireo toerana sarotra aleha.+ 3 Ary rehefa namafy voa ny Israely, dia nanafika azy ny Midianina sy ny Amalekita+ ary ny Tatsinanana.+ 4 Nanangana toby izy ireo dia notafihiny ny Israely. Dia nosimban’izy ireo ny vokatry ny tany, hatrany Gaza. Nataony tsy nanana na inona na inona hatao sakafo intsony ny Israely. Ary nalainy daholo na ny ondry na ny omby na ny ampondra.+ 5 Nitondra biby fiompy sy tranolay izy ireo ary nanao rodobe hoatran’ny valala.+ Tsy voaisa koa izy ireo sy ny ramevany.+ Ary ny hanimba an’ilay tany no nahatongavany.
-