-
1 Samoela 13:5, 6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
5 Nivondrona hiady tamin’ny Israely koa ny Filistinina: 30 000 ny kalesy fitondrany miady, 6 000 ny mpitaingin-tsoavaliny, ary maro be hoatran’ny fasika eny amoron-dranomasina ny miaramilany.+ Niakatra izy ireo ka nitoby tao Mikmasy, eo atsinanan’i Beti-avena.+ 6 Rehefa hitan’ny Israelita fa notandindomin-doza izy ireo satria latsaka an-katerena, dia niafina tany an-dava-bato+ sy tany an-tsefatsefaky ny harambato izy ireo, ary koa tany anaty vatolampy sy zohy ary lavaka fanangonan-drano.
-