5 Dia hoatr’izany koa i Kristy. Tsy izy no nanome voninahitra ny tenany+ mba ho lasa mpisoronabe, fa Ilay niteny momba azy hoe: “Zanako ianao. Androany aho no lasa rainao.”+ 6 Milaza koa mantsy izy any amin’ny andininy hafa hoe: “Mpisorona mandrakizay ianao, hoatran’i Melkizedeka.”+