-
Eksodosy 14:27, 28Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
27 Dia natsotran’i Mosesy avy hatrany teo ambonin’ny ranomasina ny tanany, ka nanomboka niverina tamin’ny laoniny ny ranomasina rehefa akaiky ho maraina ny andro. Ny Ejipsianina kosa nandositra an’ilay rano, kanjo nakifik’i Jehovah nankao afovoan’ny ranomasina izy ireo.+ 28 Ary niverina ny rano, ka nanarona ny kalesy fitondra miady sy ny mpitaingin-tsoavaly ary ny tafik’i Farao rehetra, izay nankao an-dranomasina nanaraka ny Israely.+ Tsy nisy tafavoaka velona izy ireo na iray aza.+
-