-
Eksodosy 15:5Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
5 Nanarona azy ireo ny rano manonja be. Nilentika tany amin’ny lalina toy ny vato izy ireo.+
-
-
Eksodosy 15:10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
10 Notsofinao tamin’ny fofonainao ny ranomasina ka nanarona azy ireo.+
Nilentika toy ny firaka nalatsaka tao amin’ny rano be izy ireo.
-
-
Deoteronomia 11:3, 4Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 Ny zanakareo koa tsy nahita ny famantarana sy ny zavatra nataony tany Ejipta, dia izay nataony tamin’i Farao mpanjakan’i Ejipta sy ny taniny manontolo,+ 4 na ny nataony tamin’ny tafik’i Ejipta sy ny soavalin’i Farao ary ny kalesy fitondrany miady, izay difotry ny Ranomasina Mena rehefa nanenjika anareo. Naringan’i Jehovah indray mandeha tsy miverina* izy ireo.+
-
-
Josoa 24:6, 7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
6 Rehefa nentiko nivoaka avy tany Ejipta ny razambenareo,*+ dia tonga teo amin’ny ranomasina. Ary nanenjika azy ireo hatreny amin’ny Ranomasina Mena ny Ejipsianina, niaraka tamin’ny kalesy fitondra miady sy mpitaingin-tsoavaly.+ 7 Dia nitaraina mafy tamin’i Jehovah ny razambenareo,*+ ka nasiany haizina nanelanelana anareo sy ny Ejipsianina. Ary nosaronany tamin’ny ranomasina izy ireo ka nataony difotra.+ Ny masonareo mihitsy no nahita an’izay nataoko tany Ejipta.+ Ary nijanona tany an-tany efitra nandritra ny taona* maro ianareo.+
-
-
Nehemia 9:10, 11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
10 Nanao famantarana sy fahagagana àry ianao mba hanasaziana an’i Farao sy ny mpanompony rehetra ary ny olon-drehetra tao amin’ny taniny.+ Fantatrao mantsy fa nataony tsinontsinona+ ny razambenay. Dia nataonao nalaza ny anaranao, ary mbola malaza ilay izy hatramin’izao.+ 11 Nosarahinao teo alohan-dry zareo ny ranomasina, ka niampita teo amin’ny tany maina ry zareo.+ Fa ny mpanenjika azy kosa natsipinao mafy tany amin’ny lalina be, hoatran’ny vato natsipy tany anaty rano mahery.+
-