-
Nomery 21:33-35Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
33 Nivily lalana izy ireo avy eo, ka niakatra nanaraka an’ilay Lalan’i Basana. Dia nivoaka hiady tamin’izy ireo tao Edrehy+ i Oga+ mpanjakan’i Basana sy ny tafiny manontolo. 34 Ary hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Aza matahotra azy+ fa hataoko resinao izy sy ny tafiny manontolo ary homeko anao ny taniny.+ Hataonao hoatran’i Sihona izy, dia ilay mpanjakan’ny Amorita nipetraka tao Hesbona.”+ 35 Dia nasian’izy ireo izy sy ny zanany lahy ary ny tafiny manontolo, ka nataony tsy nisy niangana na iray aza.+ Dia nalain’izy ireo ny taniny.+
-