-
Salamo 18:6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
6 Tao anatin’ny sarotra aho no niantso an’i Jehovah;
Tamin’ilay Andriamanitro foana aho no niantso vonjy.
-
-
Matio 26:38, 39Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
38 ka niteny tamin’ireo hoe: “Tena malahelo be aho izany, hoatran’ny efa ho faty. Mijanòna eto dia miaraha miari-tory amiko.”+ 39 Ary nandroso kelikely izy, dia niankohoka sady nivavaka+ hoe: “Raiko ô, raha azo atao, dia mba esory amiko ity kaopy* ity.+ Aleo anefa tsy ny sitrapoko no hatao, fa ny anao.”+
-
-
Marka 15:34Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
34 Tamin’ny ora fahasivy, dia niantso mafy i Jesosy hoe: “Ely, Ely, lamà sabaktany?” Raha adika izany dia hoe: “Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana ianao no nahafoy ahy?”+
-