-
Matio 27:46-49Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
46 Ary tamin’ny ora fahasivy teo ho eo, dia niantso mafy i Jesosy hoe: “Ely, Ely, lamà sabaktany?”, izany hoe “Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana ianao no nahafoy ahy?”+ 47 Rehefa naheno an’izany ny olona sasany nijoro teo, dia niteny hoe: “Miantso an’i Elia ilehity.”+ 48 Tonga dia nihazakazaka naka spaonjy ny iray tamin’izy ireo, dia natsobony tao anaty divay marikivy ilay izy ka nataony teo amin’ny bararata iray, ary nomeny hosotroin’i Jesosy.+ 49 Hoy anefa ny olon-kafa teo: “Avelao izy e! Aleo hojerentsika raha ho avy hamonjy azy i Elia.”
-