12 Dia ho avy izy ireo ka hihoby eny amin’ny havoanan’i Ziona.+
Ary ho miramirana izy ireo noho ny hatsaran-toetran’i Jehovah,
Noho ny varimbazaha sy ny divay vaovao+ sy ny menaka,
Ary noho ny zanaky ny ondry aman’osy sy ny zanak’omby.+
Ho toy ny tanimboly azon-drano tsara izy ireo,+
Ka tsy ho reraka intsony mihitsy.”+