-
2 Mpanjaka 6:15, 16Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
15 Rehefa nifoha maraina ny mpanompon’ilay lehilahin’Andriamanitra ka nankeo ivelany, dia nahita tafika nanodidina ny tanàna niaraka tamin’ny soavaly sy kalesy fitondra miady. Tonga dia nilaza ilay mpanompo hoe: “Loza ity, tompoko! Inona no hataontsika?” 16 Hoy anefa izy: “Aza matahotra,+ fa ny miaraka amintsika dia betsaka noho ny miaraka amin’izy ireo.”+
-
-
Salamo 27:3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 Na misy tafika manangana toby hamelezana ahy aza,
Dia tsy mba hatahotra ny foko.+
Na misy miady amiko aza,
Dia mbola hatoky an’Andriamanitra ihany aho.
-